Isa-maraina dia ahenoana olona miantso vonjeo. « Manodidina ny amin’ny enina ora eo no tena manao ny asaratsiny ireo olona izay mbola tanora. Matetika eo amin’ny efatra eo izy ireo no manendaka ary ireo olona mitondra finday no tena ataony lasibatra” raha araka ny fitantaran’ny manodidina. Manodidina izay efa eo an-dalam-panangonan-tsonia ankehitriny mba hitarainana ka hanairana ny sain’ny mpitandro ny filaminana. Ireo olona izay mivoaka maraina ka hamonjy toeram-piasana ary mizotra eny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka no tena arahin’izy ireo. Ny vehivavy, indrindra ny ramatoa no tena mahita faisana. Toa ity iray izay voaendaka sy voaambana antsy ny talata teo. Lasa ny finday sy ny poketra. Poa toa izay dia nanjavona any anatin’ny elakelan-tranon’Ankadifotsy ary tsy nisy sahy nanaraka ireo andian-jatovo. Omaly maraina indray dia lehilahy iray nitondra finday ary nampiasa izany no lasibatra. “Mba nahavita niantso vonjeo faran’izay haingana ka nanaitra ny manodidina no koa nahavita niaro ny tenany io lehilahy io. Tsy lasan’ireo olon-dratsy ny fitaovana saika nalain’ireo ary tsy naratra koa ilay lehilahy. Nitsoaka toa ny fanaony indray ireo mpanendaka efa-dahy” raha araka ny fanazavan’ilay nahita maso ny asaratsy. Manahy ny ainy sy ny fanananany ankehitriny ny olona eo amin’ny manodidina ary efa mifampidinika ny amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisina satria lasa maloton’ny asan-jiolahy Ankadifotsy-Ambatomitsangana. Isan’ny noeritreretin’izy ireo ny fanoratana taratasy fanairana sy fanangonan-tsonia. Toerana tena ifamezivezen’ny olona iny kartie iny ary na vao maraina aza dia efa maro no hita eny an-dàlana. Be elakelan-trano koa anefa ary manamora ny fitsoahan’ireo olon-dratsy izay matetika dia any Mandialaza any ny toerana hizoran’izy ireo ary manjavona any Andravoahangy Ambany. Matahotra ny ainy ny olona raha vao mahita ny sabatra sy ny antsibe eny an-tanan’ireo olon-dratsy. Mila ampiana ny fisafoana hatrany anaty elakelan-trano rehetra any ary vao maraina dia efa hatomboka.
D.R