- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatonakanga : Mpamaky fiara tra-tehaky ny mpanao fisafoana

Ambatonakanga : Mpamaky fiara tra-tehaky ny mpanao fisafoana

Ela nitoratorahana loatra ! Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity mpamaky fiara iray teny amin’iny faritra Ambatonakanga iny no sendran’ireo pôlisy mpanao fisafoana avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa. Mbola tratra teny aminy ny « auto-radio » avy nalainy tamin’ireo fiara maromaro efa novinakiny. Na trano na fiara, samy lasibatr’ireo olon-dratsy avokoa amin’izao. Ho an’ireo manana fiara moa dia saika miferotr’aina isan’andro izy ireo, indrindra fa ho an’ireo izay tsy manana garazy manokana fa mipetraka amin’ireo parking eny amoron-dalana. Izy ireny aloha no voalohany indrindra ataon’ireo mpamaky fiara lasibatra. Toa izay nitranga teny amin’iny faritra Ambatonakanga iny. Efa maro mantsy ireo fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana. Omaly, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, raha teo am-panaovana ny fisafoana isan’alina fanaony ireo pôlisy no nahatsikaritra lehilahy iray, nivoaka tamin’ireo tandahatra fiara nipetraka tamin’ny sisin-dalana. Kaodikaody ilehio vao nahatazana ireo mpitandro filaminana ary niomana ny hitsoaka mihitsy, raha vantany vao natonin’ireo farany. Noenjehina moa ary nosamborina avy hatrany teo no ho eo ihany. Nosavaina ary nahitàna « auto-radio » telo tany aminy, izay fantatra fa tsy azy mihitsy. Nentina natao famotorana avy hatrany ka fantatra tamin’izany fa mpamaky fiara ingahirainy ary an’ny fiaran’olona efa nipetraka tany ho any ireto « autoradio » ireto. Natao andrimaso avy hatrany moa ranamana. Tetsy andanin’izay kosa, miantso ireo olona very izany fitaovana izany, teny amin’iny faritra iny ireo pôlisy, mba hanatona mivantana ny kaomisaria.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici