- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatonankanga : Fiara tapaka hisatra, niantefa teny amina fiarana mpitarika pôlitika

Ambatonankanga : Fiara tapaka hisatra, niantefa teny amina fiarana mpitarika pôlitika

Namoa-doza indray ny resaka olana ara-teknika tamina fiara teny amin’iny faritra Ambatonankanga iny omaly maraina. Irony karazana fiara matanjaka irony, marika “Hyundai” no sendra tapaka hisatra raha  nidim-pidinana teny an-toerana. Nifatratra tamina fiara nentina mpitarika pôlitika iray avy any Andohalo avy any ity fiara tapaka hisatra ity, taorian’ny nandonany tamboho. Vokany potika tanteraka ity fiara matanjaka ity. Tsy naninona kosa ny tao anatiny. Torak’izay ihany koa, raha ny vaovao azo mahakasika ireo olona tao anatin’ilay fiara marika Renault voadona. Izy sy ny zanany no tao anatin’ity farany, raha ny vaovao voaray izany , samy tsy nisy naninona avokoa. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, nitranga teny amin’iny faritra Ankadilalana iny, omaly maraina hatrany. Taxi-be mindrana an’iny lalana iny ihany koa no sendra tapaka hisatra ka niantefa teny amin’ny tamboho, raha iny hidina hankany Mahamasina iny. Raha ny loharanom-baovao azo, dia ny mpamily no naratra ka nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ratra madinidinika kosa no nahazo ireo mpandeha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici