Niteraka sahotaka sy korontana taty Ambatondrazaka ny tontolon’ny ady tany, izay niseho tao amin’ny abatoara. Araka ny fantatra dia tany efa nipetrahan’ny fokonolona nandritra ny taona maro no nisy olana .Tao aorian’ny ady madio nandalo teo anivon’ny zandary sy ny fitsaranana Ambatondrazaka dia olona 4 no tsy maintsy nampidirina am-ponja noho ny famingavingana sy ny fandavana ny didy navoakan’ny fitsarana. Araka ny fantatra mantsy dia efa hatry ny ela io ady io. Ara-dalàna ny taratasy sy ny fahavitan’ny tsatobato amin’io tany manodidina ny 1ha latsaka io. Nanaiky anefa ilay tompon’ny tany ny hamarotany, ho an’ireo izay te hividy aminy. Ireo tsy manaiky kosa dia esorina avy hatrany, araka ny didy nivoaka. Io olana io no nampisahotaka ka samy nanana ny fanapahan-keviny ny rehetra. Tao ireo izay efa nividy ny tany ka milamina. Tao koa ireo izay tsy nahafantatra ka nilaza fa tanin’ny kaominina io tany io. Ny fifanatonana niaraka tamin’ny OMC distrika no nahafantarana ny marina rehetra, fa ara-dalàna ny taratasin’ny tany ka tokony hanatona azy ireo ny manana olana, mba hisian’ny fifandaminana . Handray andraikitra ny fanjakana handaminana izao korontana izao mba hampandry fahalemana ny tany aty Alaotra.
Janus R