- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Andian-jiolahy ravan’ny zandary, misy mpitandro filaminana amin’izy ireo

Ambatondrazaka : Andian-jiolahy ravan’ny zandary, misy mpitandro filaminana amin’izy ireo

AKANJO-MIARAMILATambajotran-jiolahy matanjaka miaraka amin’ny Mass 36  iray sy poleta roa, izay samy an’ny mpitandro ny filaminana avokoa, fanamiana mpitandro ny filaminana, fiara 4X4 iray ary balan’ny basy  an’ny mpitandro ny filaminana maromaro no indray ravan’ny zandary . Rehefa avy nanafika   olona nitondra vato sarobidy   tao Belavabary, fokontany Begisa, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, izy ireo niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo no henon’ny zandary ka nanaovana vela-pandrika. Sarona tao Morarano ireo jiolahy,  izay mbola teo  am-pandaminana ny fanafihana hafa saika mbola hatao miaraka amin’ny fanamian’ny mpitandro ny filaminana, izay  tsy misy anavahana azy ireo mihitsy . Ny basy rahateo an’ny mpitandro ny filaminana  ka dia noraisim-potsiny teo izy ireo. Miisa 6 ireto jiolahy ireto miaraka amin’ny 4X4, fa ny iray kosa dia tafatsoaka . Ny fanadihadihan’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa gadra mbola mamita ny saziny ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka ny roa amin’ireo jiolahy ary miaramila mpiandry fonja roa ihany koa no voarohirohy ka nampidirina am-ponja niaraka tamin’ireto jiolahy. Tafakatra 7 izany ireo nampidirina am-ponja amin’ity raharaha ity. Mandeha kosa ny fanadihadiana mahakasika ireo basy, satria efa nokosehina ny laharana eo amin’ny vatany. Manao antso ny Lieutenant Andrianaritsara Nomeny,  izay nitarika ny fisamborana ireo jiolahy, ary nanentana ny rehetra ny hanome vaovao hatrany ny mpitandro ny filaminana  amin’ireo mpanao ratsy, satria mitombo isa ny mponina aty Alaotra noho ny fahavakisan’ny safira ao Andilamena, ka maro ireo volabe mihodinkodina ary misy ihany koa ireo jiolahy miandry mahazo hatrany.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser