Olona telo samy nitondra ireny Kubota ireny no velon-taraina amin’izao fotoana izao. Amin’ny lalana mampitohy an’Ambatondrazaka sy Imerimandroso no nisehoana tranga hafa mihitsy. Rehefa sendra tratra alina izy ireo eny amboni’iny karazana môtô iny dia voalazany fa misy andian’olona lazainy fa mpamosavy misavika sy misoavaly ny Kubota entiny. Manao andiany maro izy ireo ary misarakorako volo avokoa. Enjehiny ao anaty maizina ao ireo fiara kely. Voalazan’ireo niharan’izany fa tonga dia mihorona ny hodidohan’izy ireo. Hany hery, mandeha mafy dia mafy na tsy natao hahavita izany aza ireo fitaovana entiny. Farany, milatsaka tsikelikely ireo voalaza fa mpamosavy. Eo amin’ny 1 ora maraina eo no tena ity asana mpamosavy ity, hoy ny vaovao avy any an-toerana.Toerana maroamoro no nahitana ity tranga ity. Alohan’Imerimandroso. Rehefa tsy eny dia eo akaikin’Andreba. Amin’ny fotoana sasany dia eo amin’ny lalana hivoaka an’Ambatosoratra. Amin’izao fotoana izao, mihorohoro ny mponina amin’izay zavatra izay ary lasa matahotra tsy mandeha alina intsony.
Fa ankoatra ny asan’ireo voalaza fa mpamosavy, miseho lany ny Ambatondrazaka koa izao ny sinto-mahery eny an-tsena. Lasibatra amin’izany ny kavina volamena hanaovan’ireo vehivavy. Amin’ny andro antoandro be izao no misy izany. Rehefa mahazo ireo mpisam dia rifatra mandostra amin’ny elanelantrano maro any an-toerana. Tsy mbola nisy tratra ireny jiolahy ireny. Voamarika koa fa saika isaky ny alina dia ahenoana vaky trano ao amin’ny tananan’Ambatondrazaka.
Janus