Nitondra fanazavàna mahakasika ilay resaka angidim-by nipetraka teo am-povoan’ny kianja Rasolonjatovo tany Ambatondrazaka ny tompon’andraikitra. Izay nilaza fa noho ny fisian’ny andro ratsy tokoa no nahatonga azy nipetraka tao Ambatondrazaka aloha, mandra-pilamin’ny toetr’andro ary hamonjeny izay tanjona hitodiany. Nilaza ihany koa izy ireo fa afa-nipetraka soa aman-tsara tsy naninona ity « helicoptère » ity fa tsy toy ny voalaza omaly teto amin’ny lahatsoratra hoe, « saika hianjera ». Salama sy ara-dalàna tsara ihany koa ny mpanamory azy ity fa tsy « mitsirepirepy » akory, araka ny voasoratra hatrany, hoy hatrany ny fanazavàna. Isan’ny tafiditra ao anatin’ny paik’ady eny ampanidinana tokoa moa no manova avy hatrany ny drafitry ny fanidinana rehefa tojo ny tsy nampoizina eny an’habakabaka eny, ary ao anatin’izay ity fipetrahan’ilay angidim-by haingana tao Ambatondrazaka ity, raha tokony hamonjy an’i Toamasina avy hatrany izy.
m.L / Janus