- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Ankizy foloa hafa indray nihetsika ambalavelona

Ambatondrazaka : Ankizy foloa hafa indray nihetsika ambalavelona

Ankizy mpianatra matahotra ,mihorohoro ,mitomany ,mikiakiaka, misy mihitsy ny  tsy mety mandeha mianatra noho ny tahotra , vokatry ny fisian’ny Ambalavelona tao amin’ity sekolim-panjakana iray  eto Ambatondrazaka ity. Raha efa nakatona nandritra ny 3 andro ity sekoly ity ,dia nosokafana ny alatsinainy faha 18 aprily 2016 teo rehefa avy niasana sy nivavahana. Mpiandry sy mpivavaka maro no niara-nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra ny maraina , izay narahana fanompoam-pivavahana. Ankizy ampolony  indray no niara-nihetsika Ambalavelona taorian’ny vavaka mahery nataon’ny mpiandry ,nisahotaka mihitsy ireo mpianatra izay nisy hatrany amin’ny kilasy 6ém ka hatramin’ny 3ém, ka ireo ankizivavy no betsaka voa . Ny ankizy tao amin’ny kilasy  6ém  no tena betsaka voa , ary nihorohoro avokoa ireo tsy voa . Mampalahelo ny mahazo ny mpianatra amin’ity sekoly ity ka tokony hisy fepetra hentitra horaisin’ny tompon’andraikitra ,satria mety hanimba ny hoavin’ny mpianatra amin’izao telovolana farany izao . Ny zavatra  hita  ihany koa dia samy  nilanja baiboly sy fihirana  tsirairay avokoa ireo mpianatra ,ka niara-nanofahofa izany ambony niaraka tamin’ny hira fiderana ka nampihetsi-po ireo nitazana . Raha  an-taonany maro lasa izay no nitrangan’izany tao amin’ity sekoly ity ka nanakatonana azy ihany koa dia izao miverina izao indray ity asan’ny devoly ity ka inoana fa hisy ny fandraisana andraikitra, hoy ireo ray aman-dreny nivory tao amin’ny sekoly, ny faha 16 aprily 2016 teo  hanafoanana izao asan’ny maizina izao.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici