- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Ankizy vavy roa nilatsahan’ny varatra, maty ny iray

Ambatondrazaka : Ankizy vavy roa nilatsahan’ny varatra, maty ny iray

Ny talata hariva tokony tany amin’ny 3 ora sy sasany, nilatsahan’ny varatra ny ankizy roa mpirahavavy, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Feramanga Avaratra. Vokany : maty tsy tra-drano ny iray, ilay zokiny 8 taona. Na dia voa koa aza ny zandriny kely 6 taona dia mba tsy naninona. Avy ny orana tamin’io fotoana io. Nasaina niandry trano izy mirahavavy ireto. Niferotra ny varatra ary voalazan’ny vaovao fa niditra tao amin’ny varavarambe avy eo nivoaka tany amin’ny tafotrano. Ny nahagaga ny rehetra teo an-tanàna, na dia tafo bozaka ilay trano dia tsy nirehitra mihitsy. Any amin’ny 30 km avaratr’ Ambatondrazaka no misy ny tanana Feramanga Avaratra.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici