Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary any ho any ny vola lasan’ireo jiolahy tao anatin’ny tapabolana teto Ambatondrazaka , olona iray no voatifitra ary nisy ireo tafiditra hopitaly vokatry ny ratra. Raha teo am-pikatonana ity tranombarotra lehibe eo ampovoan’ny tsenan’Ambatondrazaka ity ny faha 26 novembre 2016 teo tokony tamin’ny 5 ora sy sasany dia indro nisy jiolahy efadahy samy mandeha moto ‘scooteur » roa efa niandry teo ary dia nanatona ilay varavarana ka nisintona ny volabe tao anaty gony izay mitentina 10 tapitrisa ariary, ary nitifitra ilay ramatoakely nitondra ilay vola. Nandositra izy ireo avy teo ka tsy tratra hatramin’izao fa ny moto no saron’ny mpitandro ny filaminana , ary ilay ramatoakely kosa dia avotra aina, satria nalaky voavonjy na dia tany amin’ny kibony aza no voan’ny bala. Ny alin’ny faha 27 novembre 2016 teo indray dia fanafihana mitam-piadiana ihany koa no nitranga teto antampon-tananan’Ambatondrazaka tokony tamin’ny 12 ora alina, ka tokantrano iray ihany koa no lasibatra. Lasa tamin’izany ny volabe manodidina ny 70 tapitrisa ariary miampy vato sarobidy mitentina hatrany amin’ny 200 tapitrisa ariary any ho any, ary ny farany dia ny voalohan’ny herinandro teo tao amin’ny tokantrano iray izay nanjavonan’ny volabe mahatratra any amin’ny 30 tapitrisa ariaryn izay voalaza fa saika hividianana vato. Marihana fa samy mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa ireo jiolahy eo am-panantanterahana ny asaratsiny, hoy ny fanazavana. Nandray ny andraikiny ny polisy sy ny zandary ary fantatra fa efa misy olona sarona amin’izao fotoana izao ary mbola mitohy ny fanadihadiana . Anisan’ny olana aty Ambatondrazaka ny fahamaroan’ny olona mitrandraka sy mividy vato ,ka misy ireo jiolahy gaigilahy avy any amin’ny toeran-kafa efa tafiditra ihany koa, ny srilanke efa miverina rahateo mividy vato. Anaovana antso ny vahoaka amin’ny tokony handraisana fepetra haingana amin’izao tsy fandriam-pahalemana izao.
Janus R



