- Publicité SW45 -
vendredi, juillet 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Asan-jiolahy, vehivavy nokapaina antsy

Ambatondrazaka : Asan-jiolahy, vehivavy nokapaina antsy

Renim-pianakaviana iray no  naratra noho ny fanafihan’ny jiolahy  tokantrano iray tao Tanambao Ambatondrazaka .Tokony tany amin’ny 1 ora maraina tany ho any no nisy nanafika ity tokantrano ity, ny alatsinainy 02 febroary 2015 teo,ka jiolahy 3 lahy  mitondra antsy lava lela  no nandroba azy .Nokapainy tamin’ny antsy ny ranjon’ilay renim-pianakaviana, izay voa mafy tokoa.Vokany : lasa ny volabe eo amin’ny 4 hetsy ariary any ho any, niampy kojakoja tao an-tokantrano toy ny fahita lavitra ,sy ireo entana sarobidy .Toa saika nahazo vahana ny fanafihana, satria vao tsy ela izay dia tokantrano maromaro no najifa entana. Manongotra varavaran-kely mihitsy ireo jiolahy amin’izany. Mijojo ny orana ka samy variana matory ny rehetra . Mandry tsy lavo loha ny vahoaka amin’izao fotoana izao ary tokony haverina indray ny andrimasom-pokonolona, raha ny fangatahan’ny maro.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser