- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Efa-dahy niara-maty tao anaty lavam-piringa

Ambatondrazaka : Efa-dahy niara-maty tao anaty lavam-piringa

Loza mahatsiravina ! Nokasaina hanariana maloto no antony nandavahana ilay lavaka kanjo lasa nitelina ireo mpiasa efa-dahy tao an-drenivohitr’Alaotra tao. Aina efatra be izao araka izany no nafoy teo amin’ity fianakaviana iray ity tao Ambohimiangaly, Ambatondrazaka omaly.

Ny zava-nisy : samy mpihavana avokoa izy efa-dahy ireto no nahazo asa mba hanadio ny lavapiringan’ny toeram-pivavahana iray tao amin’io tanàna voalaza io. Raha ny voalaza hatrany dia mpiray tampo ny telo ary mpihavana akaiky amin’izy ireo ny iray. Efa feno mantsy io toeram-pivoahana (WC) taloha io raha ny vaovao hatrany ka tsy maintsy nandavaka hafa indray hanariana ireo efa nihoatra tao amin’ilay taloha. Izy efa-dahy voalaza etsy ambony ireo no nahazo ny asa ary rafitra nandavaka. Efa tena lasa lalina tokoa izy io satria dia mananika ny 15 metatra any ho any. Niomana ny handefa ny maloto tamin’ilay lavaka vaovao izy ireo ary efa nisy lasa, sahabo ho 3 metatra teo, no nahatsikaritra ny iray fa toa hoe « hadino ao anaty lavaka ny fitaovana ». Iny ity farany no niverina nidina tao anaty lavaka kanjo teo no niseho ny loza ! Fanina nohon’ny fofona efa mahery tany ambany ka safotra latsaka tany anaty maloto. Taitra iretsy rahalahiny ka nidina hamonjy azy ka dia nifampisitonana. Efa nalaman’ny maloto ihany koa anefa ireo tady fampiasain’izy ireo ka indray latsaka tany koa ireo telolahy mpamonjy. Ilay ranona maloto rahateo io efa voafindra sy efa mahadifotr’olona io.Hany ka na dia niezaka hiakatra ihany izy ireo dia marevo ilay maloto, madity miaraka amin’ny rano ka vetivety dia tsy hita popoka izy efatra mirahalahy.  Ny loza araka ny nambaran’ny fampitam-baovao hafa dia toa hoe vao mainka nihotsaka ihany koa ny sisin’ilay lavaka, nanototra azy ireo tao niaraka tamin’ny maloto. Ireo olona tety ambony nahita ny loza no niantso vonjy avy hatrany tamin’ny fokonolona ary niezaka nisintona iretsy niharam-boina tamin’ny fitaovana teo am-pelan-tanana. Mazava ho azy, mangitsokitsoka ihany izany lavaka am-polony metatra izany, fa indrindra efa malama sy feno maloto hany ka nanano sarotra ny fanavotana azy ireo. Adim-pamantaran’andro maro taty aoriana vao tafiakatra tao izy efa-dahy, … efa vatana mangatsiaka sisa ! Marihana fa tonga teny an-toerana ary nifandrimbona tamin’ny fampiakaràna azy ireo, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana nampian’ireo fokonolona. Koa satria nisy ny aina nafoy tamin’izany asa izany dia voalaza fa niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany.  Raha ny mikasika azy efa-dahy niharam-boina ireto dia  nalefa tao amin’ny tranondrazany ao Ambohimasiny Ambatondrazaka, alohan’ny hanitrihana ny razana any ambanivohitry Manjakandriana

m.L / Janus R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici