Mpianatra efatra mirahalahy sy ankizivavy iray ,miaraka amin’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray no nampidirina amponja vonjimaika ny Alatsinainy 07 Oktobre 2019 rehefa avy nohadihadiana lalina tao amin’ny polisim-pirenena Ambatondrazaka . Raha olona 7 no voarohirohy amin’ny fanaparitahana laza adina Bac 2019 sy ny fakan-tahaka amin’ny antontan-taratasim-panadinana efa vita valiny, dia olona 6 no nampidirina amponja, satria tao no namoaka laza adina tao ireo mpampianatra nanao ny valiny fotsiny, ka nahafahan’ireto mpianatra nandika ireo valiny ,izay marihana fa mpianatra sokajy A2 ireo voarohirohy ireo. Araka ny fantatra dia mpampianatra miasa amin’ny fanjakana ity mpampianatra iray izay nahazo fahafahana vonjimaika ity. Nahoraka ity fampidirana amponja mpianatra ity teto Ambatondrazaka , satria ranomaso notovozina no nahazo ny ray aman-dreny miaraka amin’ireo mpianatra ka nalaky nahoraka ny raharaha ,teo ihany koa ireo nambaran’ny mpianatra sasany fa maro no nanao hosoka fa ireo ihany no voasazy . Ny marainan’ny 8 Oktobra 2019 dia nirohitra nitangorina teo amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana mba hitady vahaolana sy hikarakara ireto kilonga niditra amponja, nirohitra nihazo ny biraon’ny prefekitiora izy ireo rehefa tsy nahita mangirana ka handrasana ny valin’ny lahadinika tao. Maro no malahelo sy latsa-dranomaso amin’ireo mpianatra ireo, nisy ihany koa anefa nanambara fa mendrika ny mpangalatra laza adina izao fandraisana andraikitra izao. Araka ny fantatra dia ny faran’ny volana Oktobre 2019 any no hiakatra fitsarana izy ireo ka samy miandry ny tohiny ny rehetra.
Janus R