Samy manao izay ho afany avokoa ireo kandida ho ben’ny tanàna amin’izao fotoana izao ary dia maresaka ny tanàna. Ny mampalahelo dia ny fisian’ny fifanaratsiana sy ny fifandranitana, ka saika niafara tamin’ny ady totohondry mihitsy ny kandida iray sy ny mpanohana azy tany amin’ireo kaominina ambanivohitra iray. Samy manampy ny antokony avokoa ireo solombavambahoaka voafidy aty Alaotra sy ny any ampitandrefana ary dia maresaka ny fifandresen-dahatra amin’izany. Miteraka resabe eo anivon’ny fiaraha-monina anefa ny fanenjehana izay mpiasam-panjakana manao politika sy manohana olona ,na minia tsy manatona ny antokon’ny fanjakana. Anisan’ny lasibatra ny dokotera tompon’andraikitra iray, izay fianakavian’ny kandida tsy miankina ,ary nafindra toerana maika any Toamasina noho ny fiarahan’io mpitsabo io tamin’ilay kandida hafa, ka nitaraina tamin’ny mpanao gazety .Na dia eo aza ny fifandresen-dahatra samy hafa dia hita ho tsy manam-bola firy ireo kandida ,ary betsaka no diso fanantenana avy amin’ny antoko na ny fikambanana misy azy ka manao izay ho afany amin’ny fampandaniana ny tenany, eny fa hatramin’izao fiafaran’ny fampialezan-kevitra izao dia misy ireo kandida zara raha nahatafapetaka ny petadrindrina misy ny sariny .Amin’ny ankapobeny dia vonona tanteraka ny vahoakan’ny faritra Alaotra Mangoro hifidy raha mahazo kara-pifidianana avy.
Janus R