Basy maherivaika no entin’ireo jiolahy manafika ny fiangonana hakana ny lakolosy, ary hanambanana basy ny mpitandrina na ireo krisitianina mitahiry ireo fitaovana ireo. Mihorohoro tanteraka araka izany ny mpino ary misy mihintsy ny miraviravy tanana noho ny tahotra aty Alaotra. Nanao fanambarana fampaherezana ny fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara faritany Ambatondrazaka FFKM ho an’ny mpitondra fanjakana mahefa ny mba handray andraikitra sy hijery akaiky izao raharaha maizina izao , sy nampahery ny fiangonana ato anatin’ny FFKM mba tsy ho kivy na ho ketraka amin’ny finoana manoloana ny zava-misy hatrehantsika indrindra ho an’ireo fiangonana sy ny mpitondra fiangonana voatafika noho ny raharaha « LAKOLOSY » sy ho an’ireo fiangonana tsy afaka mampiasa lakolosy noho ny tahotra .Tsarovy hoy ny fanambarana fa tsy ny fanenon’ny lakolosy ihany akory no manainga antsika hivavaka sy hanantona an’Andriamanitra ,ary hasehoy fa ao anatintsika Kristy .Mandray andraikitra tanteraka araka izany ireo mpitondra fivavahana amin’ny fiarovana ny mpino sy ny lakolosy , ary mangataka tolo-tanana haingana amin’ny mpitondra hisamborana ireo jiolahy .Hatreto aloha dia mbola tsy misy ny voasambotra ka izay hatrany no mahamailo ny mpino krisitianina ary ny lakolosy ny fiangonana EKAR sy FJKM no tena betsaka very satria ny fiangonana zandriny tsy misy lakolosy .Ahiana ny hiverenan’ny kiririoka ho an’ireo fiangonana eny ambanovohitra raha izao no mitohy.
Janus R