- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Filahiana sy ran-jaza vao mafana hanaovana sorona hitrandrahana vato...

Ambatondrazaka : Filahiana sy ran-jaza vao mafana hanaovana sorona hitrandrahana vato sy merikiora

Olona roa no efa voasambotra tamin’ilay fangalarana taovam-pananahana nitranga tany Tanambao Besakay  , ka nahafantarana  fa hanaovana sorona ireny zavatra nalaina ireny  .Raha tsiahivina dia tamin’ny fomba feno habibiana no nahazo azy mirahalahy satria nalana ny taovam-pananahin’ilay zokiny izay tsy nisy napetraka hatramin’ny voany roa  ,nodidiana tahaka ireny mandidy tendan’akoho ireny ny tendan’ilay zandriny talohan’ny nikapana ny lohany,  ka notatazana ny rà ka samy nentina nilefa avokoa izany . Nanao ny ezaka hatramin’ny farany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ka nahasaronana azy roalahy nanao ny asa ratsy ireto raha olona 4 izy ireo no nanatanteraka ny famonoana. Mbola karohina kosa ilay roalahy izay sady nitondra nilefa ilay filahiana sy ny ràn ‘ilay zaza .Miteraka resabe aty Alaotra iny tranga iny sy ity fitrandrahana vato toa mitady sorona zavatra hafahafa foana, satria talohan’ny nitrangan’ny vato sarobidy tany amin’ny faritra Didy iny an-taonany  maromaro lasa izay,  dia nisy ihany koa ny fangalarana fivaviana vehivavy bevohoka  sy ny mason’ilay zaza tao an-kibo (zaza tsy vaky maso) ,mba hoentina hanaovana sorona hivoahan’ny vato , ka asa aloha na hisy karierana vato hisokatra  indray  na ahoana amin’izao tranga mampivarahontsana izao  . Mandray ny andraikitra ny eny anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao ny mba tsy hitrangan’ny zavatra tahaka izao intsony ary tokony ho mailo ny rehetra. Araka ny loharanom-baovao voaray dia naiditra am-ponja vonjimaika izy roalahy ireto izay olona avy any ivelan’ny faritra Alaotra avokoa. Salama tsara kosa ilay tovolahy afaka filahiana.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici