Ny fiaraha-misalahy sy ny firaisan-kina ary ny fifanomezan-tanana no ahavintan-javatra hoy ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro Atoa Ranaivonirina jean Yves raha nanao antso ho an’ireo zanaky ny faritra manerana an’i Madagasikara sy ny avy any dilam-bato izy ny faha 22 aogositra 2015 teo .Ndao hiaraka hampandroso ny faritra niaviana amin’ny asa mivaingana sy ny fampandrosoana amin’izay isika mianakavy, fa tsy variana eny ambony latabatra mifampitsikera sy manenjika ny namana fotsiny .Miantso ireo fikambanana maro avy aty Alaotra Mangoro izy ,ny manana traik’efa ,fahalalana fahaizana mba hifanome tanana ao anatin’ny foara « TARIMBONGA » andiany voalohany ,izay atao ny faha 27 Aogositra 2015 ka hatramin’ny faha 30 Aogositra izao eto Ambatondrazaka, hisy rahateo ny hatrik’asa mba hangalana hevitra ho fampandrosoana ny faritra .Ny distrika 5 mandrafitra ny faritra dia Moramanga ,Amparafaravola ,Andilamena ,Anosibe An’Ala ary Ambatondrazaka mpampiatrano no samy hitondra ny vokatra sy ny harena mampalaza azy avy amin’io fotoana io ,hisy ihany koa ny kilalao sy ny stand maro hampiratiana ireo vokatra.
Janus R