Nitrangan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao an-drenivohitr’Alaotra tao, ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia nisy mihitsy ny olona namoy ny ainy vokatr’izay, raha nahatratra teo amin’ny 11 teo kosa ireo narary. Ny angom-baovaon’ireo namana tany an-toerana no nahafantarana fa saika nihinana tao amin’ny toeram-pisakafonana iray tao an-tsenan’Ambatondrazaka avokoa ireto olona ireto. Ary taorian’izay no narary tampoka sy nampiseho soritr’aretina nitovy avokoa : ny narary an-doha, fanina, nivalana, ary nando. Samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa ireo narary, hoy hatrany ny vaovao ary efa samy nahazo fitsaboana sahaza azy. Iray tamin’ireto olona ireto no fantatra fa tsy nahazaka tanteraka izay fahapoizinana izay ary namoy ny ainy avy hatrany.
Andro vitsy taorian’ity tranga ity, ny faran’ny volana teo, dia fantatra ihany koa fa nisy raim-pianakaviana iray, namoy ny ainy noho ny antony tsy fantatra tao amin’ity tsenan’Ambatondrazaka ity. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahatonga izay, araka ny fampitam-baovao azo, ary mbola eo am-panaovana fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Ny azo antoka aloha, raha ny vaovao hatrany, tsy mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ity raim-pianakaviana ity. Ny maro tamin’ireo mponina dia saika mbola miahiahy fa mety mbola tohin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo ihany, saingy tsy fantatra aloha.
Nangonin’i m.L