- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Jiolahy 4 nanafika teo an-tsena, renim-pianakaviana iray voatifitra

Ambatondrazaka : Jiolahy 4 nanafika teo an-tsena, renim-pianakaviana iray voatifitra

Na dia mbola tamin’ny 6 ora sy sasany hariva aza ny andro  izay fotoana mahabetsaka ny  olona eo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny asabotsy faha 09 janoary 2019 dia jiolahy 4 miaraka amin’ny basy poleta iray no nanafika toeram-pivarotana iray teo ampovoan’ny tsena  . Avy  hatrany dia namoaka basy poleta ireo jiolahy no nilaza hoe  « Aboay aby vola lemama » sady nobahanan’izy ireo ny varavarana miditra amin’ilay tsena , nilaza  ireo tao an-trano fa efa tsy misy vola ao ,sady  nanosika ireto jiolahy ireto hivoaka izy ireo  ka raikitra ny ady saritaka. Novelesin’ilay tompon-trano seza ireo jiolahy , nasiany totohondry ka lavo teo ambany ny iray ,ny roalahy kosa  nitady lalana hivoaka ary tafaporitsaka  izay naka taxi- moto tsy lavitra teo  haka ilay namany nianjera sy tavela tao an-trano ,  tamin’izay fotoana izay anefa dia vory ny olona ka nitifitra ireo tompon-trano  ilay jiolahy niaraka tamin’ny moto ka niparitaka ireo vahoaka  ary dia nalainy  ilay namany tavela tao an-trano .Mpivarotra hanimasaka 15 metatra miala ilay toerana indray no voan’ny bala teo amin’ny feny ka nitolefika, renim-pianakaviana tsy nanampo ninoninona. Hita niparitaka teo amin’ny toerana kosa ny bala tany amin’ireo jiolahy  .Tafaporitsaka avokoa ireo jiolahy efadahy rehefa nirohotra nilefa ireo vahoaka  izay nisy ny niantso ny mpitandro ny filaminana ,kinanjo efa lasa  lavitra ireo jiolahy vao tonga ireo mpitandro ny filaminana izay nanao ny fanarahan-dia fa mbola tsy nahitam-bokany. Efa matetika no misy jiolahy manafika tahaka izao eto amin’ny tsenan’Ambatondrazaka  fa hatreto anefa  dia mbola mitohy hatrany izany  asa ratsy  izany . Efa betsaka ireo tranom-barotra lehibe maka mpitandro ny filaminana miandry ny tsenan’izy ireo fa ireo tsy afaka manao izany dia izao iharan’ny fanafihana izao .Miantso fandraisana andraikitra hentitra ny vahoakan’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici