Vola nitentina 15 tapitrisa ariary, niaraka tamina entana sarobidy maro samihafa no azon’ireto andian’olon-dratsy tao amina tokantrano iray tao Ambohijanahary Didy, ny voalohan’ny herinandro teo. Voatifitr’ireo jiolahy tamin’izany ny tompon-trano. Soa ihany, teo ireo zandary. Tsy niandry ela dia nandray ny valin’ny nataony ireo olon-dratsy. Efatra no maty voatifitra,roa voasambotra niaraka tamina Mas 36 roa, ody gasy sy karazana fitaovana maro. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Kaomandin’ny Vondro-tobim-paritry ny zandary avy ao Ambatondrazaka, raha vao nahavita ny asa ratsiny ireto andian’olon-dratsy no nifanehatra tamin’ireo peloton mobile avy ao amin’ny zana-tobi-paritry ny zandary ao Manakambahiny Atsinanana, izay teo am-panaovana fisafoana indrindra. Raikitra teo ny fifanjevoana satria tsy nisalsala nampiasa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teny an-tanany ireo olon-dratsy. Voatery niaro tena sy namaly ihany koa araka izany ireo mpitandro filaminana. Tsy nahaleo ny maha-matihanina sy tsara hofana ireto zandary anefa ireo jiolahy, eny fa na dia azo lazaina fa manana fitaovam-piadiana mitovy aza. Efatra be izao tamin’ireo andian-jiolahy no voan’ny bala ary maty tsy tra-drano. Nisy roa tamin’izy ireo kosa no voasambotra ary efa manao famotorana mahakasika izany ireo tompon’andraikitra. Mandeha sahady anefa ny feo amin’izao fotoana izao fa toa hoe misy olona ambony mitady ny lalana rehetra hanao izay hamotsorana ireto olon-dratsy ireto. Siosion-dresaka ihany anefa aloha izany fa hohita eo izay tohiny. Ny zandarimariam-pirenena rahateo efa nilaza fa tsy hanaiky velively ny toe-javatra tahak’izany ary tsy hamela mahazo na iza io na iza …
m.L