Mitety trano mihitsy ity lehilahy mpanolana ity, miaraka amin’ny sabatra sy fanamiana mpitandro ny filaminana. Ambarany foana fa miaramila manenjika mpangalatra izy rehefa miditra ny tokantrano iray, izay mitrerona sy mandondona ny tsy maintsy hamohana ny trano, izay manodidina eo amin’ny telo ora maraina ka hatramin’ny efatra ora sy sasany maraina eo izy no manao ity fanolanana ity. Niaina tao anatin’ny tebiteby ireo vehivavy mipetra-drery sy ireo mpianatra mpanofa trano teto amin’ny tananan’Ambatondrazaka tao anatin’ny volana vitsivitsy izay, satria malaza ho mpanao ody ratsy ity lehilahy ity ka vao mijoro eo am-baravarana dia mihorohoro ny ao an-trano satria samy efa nataony avokoa na ny mpianatra vavy na ny rafotsibe na ny efa manambady ka anisan’ny nahoraka ilay vehivavy bevohaka 8 volana mahery naolany teo imason’ny vadiny. Fokontany Antsahatanteraka, Atsimondrova, Antsahalava, Avaradrova no tena lasibatr’ity lehilahy sahabo ho 33 taona izay monina 25 km miala ny tanànan’Ambatondrazaka (Vohidiala) izy no mipetraka ary olona izay mpihavy aty amin’ny faritra Alaotra. Nanao ny vela-pandrika sy ny savahao ny zandary niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona tamin’ireo fokotany ireo amin’ny fanaovana andrimaso ka dia sarona ny lehilahy . Nantsoina avokoa ireo vehivavy izay tratry ny herisetra ka tamin’ireo ampolony voaolana dia nisy dimy tamin’izy ireo no nanaiky izany ka ny telo nanamafy fa io tokoa no nanolana ahy, fa ny roa nisalasala noho ny tahotra ka tsy nahajery azy teo am-panaovana ny fanolanana. Natolotra ny fampanoavana ny 10 Feboroary 2020 teo ireto olona ireto raha roa izy ireo no voasambotra ,ka ny iray lavabe izay tena mpanolana no naiditra am-ponja vonjimaika. Nahoraka teto Ambatondrazaka ny fahatrarana ity lehilahy ity ka hentitra ny fiambenana azy talohan’ny nidirany tany am-ponja. Midera ny ezaky ny zandary ny fokonolona rehetra, fa afaka indray izany ny tebiteby fa ny ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka no tsy fantatra, satria mahoraka fa manao ody ratsy ity lehilahy ity ka hatahorana ao indray no manao ity asa ratsy ity.
Janus R