Saika efa tokatrano dimy hatramin’izao no lasibatra amin’ny fanolanana isan-tokatrano ataon’ireo jiolahy eto Ambatondrazaka .Ny tao Antsahatanteraka izay voatsatoka antsy ilay tovovavy rehefa tsy nety natao ankeriny ka nandositra ilay jiolahy rehefa niantso vonjy izy ,ny tao Antsahalava izay narahina fandrobana sy fangalarany fitaovana sarobidy izay samy voaolana avokoa ny renim-pianakaviana iray sy ny vinantony vavy , ny tao amin’ny faritra Asabotsy izay nitondra fitaovam-piadiana toy ny kalaknikov ireo jiolahy ,ary ny tao Antsimondrova ny faha 13 janoary 2020 tokony tamin’ny 3 ora maraina .Toa saika mitovitovy avokoa ireo fanafihana sy ny fomban’ireo jiolahy, satria voalazan’ireo voaholana fa manao fanamian’ny mpitandro ny filaminana izy ny akanjo ambony ary milaza fa misy jiolahy tafiditra ato aminareo ka hisambotra azy izahay sady mandondona manao feo avo ,vao misokatra anefa ny trano dia avy hatrany dia miditra ankeriny izy ireo ka manambana antsy ary manao ny fanolanana .Ireo tranga 4 dia toa olona mitovitovy avokoa satria voalaza fa jiolahy ranjanany iray no voatonotonona ,fa ny tranga iray tao Antsahalava no nanao andiany ireo jiolahy ka taorian’ny fakana ireo entana sarobidy hatramin’ny moto izy ireo vao manao ny fanolanana .Mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao satria mitebiteby avokoa ireo vehivavy mitokatokana ny trano fonenany sy ireo mipetra-drery ary ny mpianatra.
R Janus