- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Kalaky roa niaraka tamin’ny bala 30 sarona

Ambatondrazaka : Kalaky roa niaraka tamin’ny bala 30 sarona

basy-(1)Mitovy amin’ny basy mahery vaika ampiasain’ireo dahalo sy ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.

Tsy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ihany akory no mandravarava ny andian-dahalo. Re fa any amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny ihany koa dia tena manjaka izay tsy fandriampahalemana izay. Ny talata lasa teo, nisehoana fifanjevoana mahery vaika teo amin’ny dahalo sy ny zandary tany an-toerana, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antenina, Kaominina Tanandava Imerimandroso, distrika Ambatondrazaka. Vokany, azo teny am-pelatanan’ireo malaso ny basy kalaky roa, miaraka amin’ny « chargeur » sy bala 30 isa. Ambonin’izay ireo ody gasy fampiasan’ireto tontakely. Fantatra araka ny fanazavana nomen’ny Kômandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Alaotra Mangoro, fa niisa telo ireo dahalo voatifitra tamin’ity fifandonana ity, saingy mbola tafaporitsaka ihany izy ireo, na dia efa samy naratra mafy aza. Tsy nianona tamin’izany anefa ireo zandary any an-toerana fa mbola manohy hatrany ny savahao ny manodidina. Afak’omaly maraina no nisehoan’ity fifandonana ity. Avy nanafika tanàna teny amin’ny manodidina mihitsy ireto olon-dratsy ireto no nifanehatra tamin’ireo zandary nanao fisafoana tany an-toerana. Nilaza rahateo ity Kômandin’ny zandary any an-toerana ity fa taorian’ireo fanafihana maromaro nisy tany amin’iny faritra iny dia nisy ny hetsika nataon’izy ireo ho famongorana izany, ary tsy mandry andro tsy mandry alina ireto mpitandro filaminana. « Tamin’izany hetsika izany dia nisy mihitsy aza ny zandary lavo teny an-tanim-piadiana, saingy tsy mahakivy anay izany », hoy hatrany ny fanazavana. Manjaka mihitsy mantsy ireto olon-dratsy ireto, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Ary tsy matahotra mihitsy. Ataon’izy ireo ao anatin’ny tranon’ireny basimborona ireny ilay Kalak ,ka esoriny ny toerana bala sy ny vodin’ilay basy, ka izay mahita dia hoe basimborona iny. Ry zareo rahateo tsy taitra miditra ny tanana  ary mody milamina manomana ny teti-dratsin’izy ireo.

m.L / Janus R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici