- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Kamiô nitondra mpandevina nivadika, olona iray maty, 26 naratra mafy

Ambatondrazaka : Kamiô nitondra mpandevina nivadika, olona iray maty, 26 naratra mafy

Nandriaka indray rà tamin’iny lalam-pirenena faha-44 iny omaly hariva. Fiarabe iray, avy nitondra mpandevina no niharan-doza teo amin’ny 10 kilaometatra tsy hiditra ny tanan’Ambatondrazaka. Raha ny fampitam-baovao azo dia olona iray no  maty tsy tra-drano. Mpandeha 26 isa kosa no naratra mafy, ary nentina notsaboina haingana tao amin’ny hôpitaliben’Ambatondrazaka. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo no niseho ny loza, raha ny fanazavàna azo. Avy nandeha tany amin’izany tanana antsoina hoe Antanimena, Ambohiboatavo, ireto fianakaviana ireto ary handeha hody any Bejofo.  Nony hiditra ny renivohitr’Alaotra io anefa no niseho tampoka ny loza. Nambaran’ny mpamily, izay isan’ireo naratra ihany koa, fa tsy namaly intsony ny familiana. Izany hoe tsy nety navily hihazo ny lalana intsony ilay fiara. Hany heriny dia ny nampiasa hisatra. Noho ny vesatry ny fiara anefa dia tsy nahatana azy izany ary nivoaka ny lalana sy nivadika ilay fiarabe. Raha ny omaly hariva fotsiny dia efa fenon’ireto olona naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ireto ny fandrian’ny hôpitaly. Misy amin’ireo naratra ireto no tena voa mafy : vaky loha, tapa-tanana, tapa-tongotra. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, ary efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity.

m.L / Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici