Olona 6 no natolotra ny fampanoavana ny talata faha 26 aogositra 2014 teo, izay voarohirohy tamin’ny fangalarana ilay zazavavy kely 15 taona nitakiana vola 14 tapitrisa ariary .Tambajotra iray izy ireto satria nisy vehivavy roa izay mpikarakara ny sakafon’ilay atao takalonaina ,misy takisy moto iray manatanteraka ny serasera sy ny fihainoana vaovao amin’ilay olona hakana vola .Raha tany amin’ny fokotany Vohitsoa Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, ny faha 19 aogositra 2014 teo, no nanafihan’ireto jiolahy ireto miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ny mpivarotra iray ,izay nahazaoan’izy ireo volabe mitentina 9 hetsy miampy entam-barotra ,dia mbola tsy afa-po ireo jiolahy fa nentiny ny zanaka vavin’ilay tompontrano ,ka nilazany fa raha tsy manome 14 tapitrisa ariary ilay fianakaviana dia hovonoina ilay zaza .Nanomboka teo no nihetsika ny polisin’Ambatondrazaka ,ka izao sarona izao ireto olon-dratsy ireto. Toa lasa mampihorohoro ny mponina aty Alaotra izao halatra olona izao, satria raha mbola tsy nilamina tsara ny tany Andilamena, tamin’ireo fianakaviana 6 nisy naka ankeriny ,dia izao indray fa misy ny aty Ambatondrazaka. Mandray andraikitra feno ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tany, na ny Zandary na ny Polisy, ka inoana fa ho hita ny atidoha tena mikotrika izao halatra olona aty Alaotra izao.
Janus R