Nandriaka ny rà ! Roa no namoy ny ainy, sivy naratra mafy … izay no vokatry ny fivadihana « kubota » iray tao Andrangorona, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alarobia tolankandro teo. Fitaovam-pitaterana iray malaza any amin’iny faritra Alaotra iny tokoa ny « kubota » na irony « motoculteur » nasiana « remorque » ary natao hitaterana olona sy entana. Noho ny haratsin’ny làlana indraindray, dia tsy tongan’ny fiara ireo distrika samihafa ao amin’ity faritra ity, fa mazana dia ny kubota no miasa. Ny alarobia, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany teo, niharan-doza ny iray tamin’izy ireny ary nahafaty olona mihitsy. Araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia olona 15 no nentin’ity fitaovam-pitaterana ity izay hitodi-doha ho any amin’ny tanànan’Andrangorona. Tsy fantatra hatreto na noho ny antony teknika teo amin’ity fitaovana ity na inona fa tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ka dia nivoaka ny làlana ary namantana tanaty hantsana ilay fitaovana niaraka tamin’ireo olona tao anatiny. Nivadibadika ary tsy nijanona raha tsy tany ambany tany ! Hantsana manodidina ny 40 metatra teo ho eo. Zaza roa, dimy sy folo taona, raha ny angom-baovao hatrany no maty tsy tra-drano, nipitika sy voapotsitr’ilay korontam-by. Maro tamin’ireo mpandeha ambiny kosa no tapa-tanana, tapa-tongotra, vaky loha, sns. Ireo nahatazana ny loza moa no avy hatrany dia nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Ireto farany no namonjy ireo niharan-doza ary nitondra azy ireo tany amin’ny tobim-pahasalamana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany any an-toerana.
m.L