- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lasa renivohitry ny ady amin’ny kolikoly

Ambatondrazaka : Lasa renivohitry ny ady amin’ny kolikoly

Ao anatin’ny 20 andro no hipetrahan’ny birao mahaleotena eo anivon’ny ady amin’ny kolikoly  eto Ambatondrazaka  izay ahitana ireo tompon’andraikitra maro miasa eo anivon’ny bianco Toamasina .Nanatanteraka  birao  manakaiky ny vahoaka ny BIANCO  Toamasina  amin’izao fotoana izao ,ary Ambatondrazaka no nosafidian’izy ireo  hipetrahana anatin’ny 20 andro izay nanomboka ny faha-19 Septembre 2017 teo ary tsy hifarana raha tsy ny faha-5  Oktobre  2017. Araka  ny nambaran’ny tale iraisam-paritry ny bianco Toamasina Atoa Rabenarisoa Emile  dia tsy maintsy manakaiky vahoaka ny bianco ahafahana manafoana ny kolikoly ,satria ady iraisan’ny rehetra ny ady ary efa nisy ny fampianarana sy fampahafantarana ny rehetra efa an-taonany maro  izay, araka ny fanazavana   . Misy antontan-taratasy 30 no tafapetraka sy  hodinihana ho an’Alaotra Mangoro, izay nametrahana fitarainana  ,ary ny 10 no efa voaomana sy efa feno porofo   ary hatomboka fanadihadiana . Tsy misy ny trondro vaventy sy ny madinika eo anivon’ny lalàna, araka ny fanazavana, fa mitovy daholo ny fampiharana ny lalàna eo anivon’ny olompirenena rehetra, hoy ihany ny fanazavana nomen’ny bianco raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo ny faha-19 septembre 2017 teo. Nanomboka ny faha-18 septembre 2017  ary dia fantatra fa olona manana ny maha izy azy aty Alaotra no voantso teny anivon’ny  bianco hanaovana fanadihadiana araka ny loharanom-baovao voaray  noho izay kolikoly izay ,ary fantatra ihany koa fa mbola maro  no hantsoina  noho ireo fitarainana nataon’ny  vahoaka noho ny kolikoly mianjady amin’ny vahoaka aty Alaotra io.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici