- Publicité -
mercredi, juillet 30, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lasibatr’ireo jiolahy mitam-piadiana ireo mpanambola

Ambatondrazaka : Lasibatr’ireo jiolahy mitam-piadiana ireo mpanambola

Mihorohoro toa saika mangovitra avokoa ireo mpanambola eto amin’ny renivohitry ny faritra amin’izao fotoana izao .Tranona mpandraharaha iray indray no nidiran’ny jiolahy   ankeriny ny alin’ny asabotsy  faha 18 marsa 2017 hifoha ny alahady faha 19  marsa 2017 teo tokony tamin’ny 12 ora alina tany ho any .Avy hatrany dia notifirin’izy ireo ny mpiambina teo amin’ny manodidina ,ary samy niandry amin’ny lalana fandehanan’ny mponina ny efadahy, fa ny efadahy kosa niditra namaky ny trano tamin’ny baramina. Nanakoako ny tabataba tamin’ny feom-basy sy ny famakiana trano ary efa  nanomboka nisy nivoaka ny manodidina,   nefa   izay manatona dia rahonany amin’ny basy sy enjehan’ireto jiolahy, na dia teo akaikin’ny tsena aza ilay toerana. Na dia tafiditra tao an-trano aza ireto jiolahy dia  efa mailo ny tompontrano ka vola kely eo amin’ny antsasaka harona   selofanina no napetrany ary naparitany teo amin’ny trano ,fa izy mivady izay efa lehibe ireto dia nisitrika tany ambony rihana .Nanakoako ny anjomaran’ny tompontrano amin’ny fiantsoana vonjy ,niantso ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny zanany mipetraka ery ampita, hoy ny loharanom-baovao  fa samy taraiky itsy farany  anefa dia  tsy ampy 500 metatra miala ny toerana ny tobin’ny mpitandro ny filaminana. Soa ihany fa  ny vinantolahin’ireto tompontrano no tonga voalohany teo .Raikitra ny fifampitifirana  satria niaro ny rafozany ity vinantony ity, izay nanana basy poleta ihany koa. Namaly ihany koa ny jiolahy ka nanakoako eran’ny   tananan’Ambatondrazaka ny feom-basy.Tao anatin’ny sakoroka indrindra no tonga ny zandary ka nanampy tamin’ny tifitra  variraraka sy fidirana an-tsehatra. Teo vao vaky nandositra ireo jiolahy  izay efa tafiditra tany an-trano. Hay efa nisy fiara 4X4 niandry azy ireo hilefa teo amin’ny manodidina ,ka  afaka nandositra izy rehetra sady mbola nanapoaka basy. Hatreto izany dia iray no naratra mafy voatifitra ary lasa ny volabe. Mpandraharaha efa tsy latsaky ny 5 izay no notafihan’ny jiolahy teto Ambatondrazaka tato anatin’ny andro  vitsivitsy izay, ary toa saika mitondra basy kalachnikov sy poleta ary basimborona ireo jiolahy  rehefa manafika ,ary  mbola tsy misy tratra  hatramin’izao. Matahotra mafy ny rehetra hoe iza indray ny manaraka, satria tsy miala maina ireo jiolahy fa tsy maintsy mahazo na mahafaty olona. Faritra mena araka izany ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro fa tokony hojeren’ny fanjakana foibe haingana.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici