- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehiben-jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy sy mpaka an-keriny, saron’ny Polisy

Ambatondrazaka : Lehiben-jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy sy mpaka an-keriny, saron’ny Polisy

Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fokonolona nanome loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana, dia voasambotry ny Polisin’ Ambatondrazaka, tao Ambalavendrana, ny jiolahy raindahiny nampiaky ny maro amin’ny fanafihana mitam-basy sy fakana an-keriny any amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Tsaratanàna. Rehefa nofotorana lalina ity lehiben-jiolahy sarona, antsoina hoe : Randriamiarintsoa Mamy Benja Alain dit Mamy, dia nilaza fa izy no atidoha nikotrika ny fanafihana ny mpandraharaha japoney, tao Avaradrova Ambatondrazaka, ny 4 mey lasa teo, izay nahaverezana vola vahiny mitentina 700 dolara amerikana, 1000 Yen japoney sy 9 tapitrisa ariary ary finday 02. « Efa nigadra noho ny resaka « kidnapping » tamin’ny aogositra 2014 tany Soalazaina Ambatondrazaka ihany koa i Mamy », hoy ny Polisy. Raha tsiahivina, efa voasambotry ny Polisy, ny 19 mey lasa teo, ny naman’ity lehiben-jiolahy ity, miisa fito mianadahy (lehilahy 06, vehivavy 01), izay efa any am-ponja vonjimaika avokoa ankehitriny. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia mbola eo am-pikarohana an’ ireo fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasain’ireto jiolahy ireto ny Polisy amin’ izao fotoana izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici