- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehilahy iray voaendaka, natsipy tao anaty tatatra

Ambatondrazaka : Lehilahy iray voaendaka, natsipy tao anaty tatatra

Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, lehilahy iray no voaendaka teny amin’ny toerana antsoina hoe Antanifotsy, any Ambatondrazaka. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny sakaosy teny aminy. Voalazan’ny vaovao fa miandahy miambavy ireo mpanao sinto-mahery, lahy roa sy vavy telo. Tsy nanampo na inona na inona ity olona ity izao tratran’ny herisetra izao. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa mpivarotra saribao ary manao bizina vato izy io indraindray. Noheverin’ireo jiolahy angamba fa nisy volabe tany aminy. Tamin’ny fotoana nanendahana azy, afaka niantso vonjy ilay lahilahy. Tsy ela dia tonga ny mpitandro filaminana raha vao nahafantatra ny zavatra niseho. Ireo mpandenaka anefa efa tsy nisy teo amin’ilay toerana intsony. Lehilahy eo amin’ny 50 taona eo ho eo ity niharan’ny herisetra ity. Fantatra ihany koa fa tsy mponina ao Ambatondrazaka izy fa any amin’ny faritra manodidina.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser