Fahafaham-baraka tsy nisy toy izany. Tra-maraina ary niantsoana fokonolona mihitsy ireto olon-droa, lehilahy manodidina ny 30 taona ary tovovavy iray manodidina ny 20 taona, mbola tsy afa-niala teo amin’ny fihetsika nikatsahan’izy ireo ny fahafinaretana ara-nofo, omaly maraina tao ambadiky ny Epp Amparabonga, fokontany Avaradrova, an-tampon-tananan’Ambatondrazaka. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy nahatsikaritra vao maraim-be izy roa, tsy afa-nihetsika sy nifanao ambony ambany. Noheverin’ny olona fa vatana mangatsiaka nifamatotra izy ireo tamin’izay fotoana izay ary niantso tompon’andraikitra sy fokonolona ireo nahita. Rehefa nodinihana akaiky anefa dia fantatra fa tsy nifamatotra velively izy ireo fa tena niraikitra teo am-panaovana firaisana, ary mbola nihetsika soa aman-tsara. Vetivety dia niely eran’ny tanana ny vaovao. Vetivety foana ihany koa dia nitangorona ny fokonolona sady nihorakoraka ireto mpifankatia tsy afa-nisaraka. Nisy tamin’ireo nijery ihany anefa no ontsa nijery azy ireto ary niezaka ny nanasaraka. Vatan-dehilahy maromaro mihitsy no nisintona an-drangahy teo ambony vao afaka ny firaketan’izy ireo. Toy ny tsy teo ny nampidiran-drakalavavy ny fitafiana sy nitsoahany ny mason’ny olona. Safotra kosa ralehilahy rehefa avy nesorina teo. Ireo nanatri-maso no niezaka namelombelona azy ary nitsoaka ny henatr’olona ihany koa rehefa afaka nitsangana. Novinavinain’ireo fokonolona fa mety ho efa hatramin’ny alina izy ireo no teo ary karazan’ireny mpampanofa vatana ireny ity tovovavy ity. Nisy tsenabe mantsy tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ary mety nanararaotra nirevirevy ity tovolahy ity ary nikasa ny haka fahafinaretana. Naka toerana mangingina tamin’izany izy roa ireto, kanefa dia izao sendra ny sampona izao. Any amin’iny faritra iny tokoa dia mbola maro ireo toerana be fadifady sy mananjina. Efa nisy toa ity tranga ity tokoa mantsy niseho tany an-toerana, roa taona lasa izay.
m.L / Janus