- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehilahy voan’ody, nivadika ho bibilava ny filahiany

Ambatondrazaka : Lehilahy voan’ody, nivadika ho bibilava ny filahiany

Fahasahiranana no mahazo ity lehilahy iray ao Ambatondrazaka ao . Niseho tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto Andrenivohitra ity olona ity, ny sabotsy alina teo. Nandritra izany no nitarainany  izy, fa nivadika ho bibilava ny filahiany. Eny amoron-dàlana izy no mitaraina amin’izay mandalo ary mitazona ny faritra mahalehilahy azy ka ivorian’ny olona mijery azy.  Fiarahana tamin’ny vehivavy iray tao an-toerana no nahatonga izao fahavoazany izao, raha araka ny fanazavana. Avy any Antsirabe no fiavian’ity lehilahy ity. Manambady aman-janaka izy any, saingy asa no nahatongavany tao Ambatondrazaka. Nandritra izany no niarahany tamin’ity vehivavy izay nahatonga ny loza. Rahefa niray tamin’io vehivavy izy, dia nanjary nisy fery ny filahiany. Tato aoriana, dia milaza izy fa mahita bibilava eo amin’ny filahiany. Koa satria nandeha ny resaka, fa ody no nahazo azy, dia namonjy ombiasy ranamana. Rehefa nijery azy anefa ity mpitsabo nentim-paharazana ity, dia milaza fa tsy mahita na inona na inona eo amin’ilay filahiana akory, fa fery ihany no  eo. Nilaza ary ity farany, fa izay olona nanisy izao fanafody izao ihany no afaka manasitrana an’ity lehilahy ity. Rehefa niverina tany amin’ilay vehivavy anefa izy, dia nilaza ity farany fa ny vadiny no nanao an’io, saingy efa maty io olona io; izay avy any Ambovombe ary any no milevina. Very hevitra noho izany ity raim-pianakaviana ity. Milaza anefa izy, fa tena te-hody any amin’ny vady aman-janany any Antsirabe. Araka ny fantatra, dia efa efatra izao  ny olona niaraka tamin’ity vehivavy ity ka voan’izao zavatra mahazo ity lehilahy ity izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici