- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mahay mifanampy amin’ny loza voajanahary ireo vahoaka

Ambatondrazaka : Mahay mifanampy amin’ny loza voajanahary ireo vahoaka

Nitondra faisana tanteraka ny taty Alaotra  vokatry ny fiakaran’ny rano izay lasa nahasarona tanàna maro manodidina an’Alaotra iray manontolo  mihitsy .Voatery mifindra toerana mihitsy ireo mponina ka  manorina trano zozoro sy trano goailaka hipetrahana mandra-pidinan’ny rano. Raha ny tanànan’Anororo sy Vohitsara sy ireo tanàna maro aloha dia mbola ho ela vao afaka mamonjy ny tanànany ireo traboina, noho ny fiakaran’ny reniranon’Alaotra  izay lasa nitombo velarana  ka nahasarona ireo tanàna manodidina .Raha ny tao Betoloho Ambandrika kosa dia ilay renirano lehibe Manamontana mihitsy no nivily lalana tanteraka ka namakivaky ny tanàna iray manontolo,  ka trano 80 tany ho any no nofaohin’ny rano. Raha ny ara-tantara dia teo no tena lalan’ny rano tany aloha fahagola,  fa noho ny fahasimban’ny tontolo iainana dia nivily lalana  izany rano izany ka izao lasa nanimba zavatra izao    . Mandray andraikitra  avokoa ny mpiara-belona aty Alaotra amin’ny fampiantranona ireo tsy manan-kialofana sy ny fanomezana izay voatsirambin’ny tanana hanampiana ireo traboina . Mahay miray hina tanteraka ireo vahoaka .Anisan’ny nitondra ny fanampiana ohatra ireo olon-tsotra sy ny fikambanana maro ,ireo fikambanan’ny vato nasondrotry ny tany ,ny fikambanana fifankatiavana Sinoa sy Malagazy ,ireo mpandraharaha aty Alaotra ny mpianatra ,ny tontolon’ny fambolena ,ny mpitondra fivavahana,ireo solombavambahoaka  .Samy manana ny fomba fanaterany ireo fanampiana ireo ny rehetra na ny teto Ambatondrazaka izany na ny tao Amparafaravola . Nanambara rahateo ireo lehiben’ny distrika fa mangarahara ny fitantanana ary homena taratasy fanamarihana ireo mandray anjara ka dia narisika sy natoky ireo vahoaka.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser