Tsy vitan’ny mampiasa ny làlana RN 44 fotsiny izahay, hoy ny fanazavan’ny fikambanan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Kraoma, fa mandray anjara mihitsy amin’ny fanamboarana sy ny fanampiana ireo rehetra mpitatitra sy mampiasa io làlana io. Io ny teny nambaran’ny mpiasan’ny kraoma raha tafahaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Nambara fa mbola làlan-tany ny ankamaroan’ny RN 44 ary tsy maintsy misy fahasimbana foana isaky ny fahavaratra, fa tsy mitombina ny filazana fa ny fampiasanay io làlana io no naharatsy azy. Mety mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy, satria raha tsy nampiasa io làlana io izahay dia efa ela no tapaka izy io noho ny rotsak’orana be loatra tamin’ity fahavaratra ity .Vato alaina any amin’ny 160 Km no entina hanentsenana ireo lavaka lehibe sy hanamboarana ny lalana tena ratsy ary manampy ihany koa izahay amin’ireo fanamboarana ny tetezana izay simba ohatra amin’ireny ny tao Sahabe hoy hatrany ireto mpiasan’ny kraoma ireto. Niteraka resabe taty Alaotra mantsy ny fahasimban’ny RN 44 tao ho ao, ka nahatonga ireto delegasiona mafonja avy tamin’ny orinasa Kraoma ireto namory mpanao gazety hanazavana izany sy ny tokony hifanomezana tànana amin’ny fanamboarana sy ny fanatsarana ny lalana, fa tsy hifampitsikera fotsiny. Nanambara izy ireo fa saropiaro amin’ny lalana ka tsy maintsy manatsara izay vitany. Nitarika ny delegasiona nihaona tamin’ny mpanao gazety moa ny PCA-n’ny kraomita Malagasy, Atoa Rakotondrazafy Olivah niaraka tamin’ireo mpiasa maro. Janus R
Articles qui pourraient vous intéresser