- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Maro ny ankizy voan’ny ambalavenona

Ambatondrazaka : Maro ny ankizy voan’ny ambalavenona

Toa saika ahitana ireo zaza tratran’ny aretin’ny demony Ambatondrazaka .Miezaka mitsabo amin’ny alàlan’ny fivavahana ny sekoly rehefa mihetsika ilay zaza ,miara-misalahy ihany koa ireo namany fa tsy misy ny mifanilikilika. Sekoly iray teto amin’ny tanàna no nidinan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ( CISCO) ny marainan’ny alatsinainy, nentina nampahery sy nanome torohevitra ho an’ny mpianatra mba hanaramaso ireo mahavanona io fampiasana herin’ny devoly io. Araka ny nambaran’ireo mpampianatra dia isaky ny talata sy alakamisy no tena fotoana fihetsehany, ary matetika isaky ny tsinambolana .Toeram-pianarana iray izay ahitana ankizy 4 voan’ny ambalavelona no notsidihan’ny tomponandraikitra ka nisy ny fananarana sy ny fampaherezana ireo mpianatra. Mandray andraikitra feno ny rehetra ary mampirisika ny talean’ny sekoly mba hanao fotoam-pivavahana isaky ny alatsinainy voalohan’ny herinandro.

Janus R

 

Noho ny firongatry ny herisetra, horavana mialoha ny mpianatra. Toa lasa nampihorohoro ny ray amandreny sy ny mpanabe taty Alaotra, ny tranga nampalahelo nahazo ilay zazavavikely vao 11 taona, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Ilafy sy ilay vehivavy nangaronina ny masony ary naolana saika hovonoina. Nanapakevitra ny CISCO Ambatondrazaka fa horavana amin’ny 5ora hariva avokoa ireo mpianatra mba hiarovana azy ireo ,ny manao fanampim-pianarana (cours) dia tokony hisy hitsena hatrany ireo mpianatra .Efa manomboka maizina tanteraka ny amin’ny 6 ora hariva nefa misy ireo mpianatra mody lavitra ,ka mba hisorohana ny herisetra sy ny fanendahana dia tsy maintsy noraisina izao fepetra izao hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka Atoa Rakotonindriana Sylvain J. Nomena baiko ireo talen-tsekoly mba hanao tatitra hatrany raha misy ny tranga hafahafa eny anivon’ny sekoly.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser