Mihorohoro ny mponina ao an-tananan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy alina, nirefodrefotra ny basy, toerana roa misy mpanam-bola no lasibatry ny jiolahy nirongo basy. Be dia be ny vola very ankoatra ny vato sarobidy ( saphir bleu) sy firavaka volamena. Mihatra any an-toerana ny « couvre feu » manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina.
Ny sabotsy lasa teo, vao nanomboka nihilana ny masoandro tamin’ny 6 ora sy sasany, teratany vahiny iray mpividy vato no lasibatry ny mpandroba. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nitondra basy ireo andian-jiolahy ireo ka ny sasany niditra ny trano ary ny hafa niandry tany ivelany. Nahamarika ireo voaroba fa basy poleta roa no teny an-tananan’ireo jiolahy. Voaambana izany ry zareo ka tsy nisy afaka nihetsika. Very tamin’io takariva io ny vola 11 tapitrisa ariary sy vato sarobidy iray « saphir bleu » izay tsy voafaritra ny vidiny. Rehefa nahazo izany ireo mpandroba dia niala ny toerana, tsy niandry kosa ireo voatafika fa nampandre ny polisy avy hatrany. Nanomboka teo, raikitra ny fifanenjehana nanarena ny tanàna ary teny afivoan-tsena no teny navaivay. Nirefodrefotra ny basy. Farany, olona dimy no voasambotra, vehivavy iray ary lehilahy efatra.
Mpandraharaha naratra. Tsy nijanona teo anefa ny asan-jiolahy. Tokony ho tamin’ny misasak’alina, mpandraharaha vary iray indray no norobaina olon-dratsy nanao andiany. Voalaza fa am-polony maromaro izy ireo ary nitondra basy tsy latsaky ny fito. Raha vao nigadona teo amin’ilay toerana ho robaina anefa ireo bandy marobe ireo dia efa hitan’ny tompon-trano. Teo koa, raikitra ny tifitra satria namaly avy hatrany ilay mpandraharaha izay manana basy. Tsy fantatra izay faharetan’izany fa tsy naharaka ilay tompon-trano fa lany bala ary dia nibosesika niditra ireo jiolahy. Nodarohany ilay olona tao an-trano ary voalaza fa naratra mafy. Nalainy mora foana ny vola 20 tapitrisa ariary, tsy navelany koa ny firavaka volamena sy ny entana sarobidy rehetra, ecran plat, finday avo lenta. Nosimbainy koa ny trano satria novakiany ny fitaratra. Tonga vetivety ny polisy nifanenjika tamin-dry zalahy ka voalaza fa nisy iray voasambotra. Tafiakatra enina izany, ireo jiolahy tratra io alin’ny sabotsy io.
Eo anatrehan’izany, hivory ny mpivarotra rehetra ao Ambatondrazaka anio amin’ny 3 ora tolakandro. Efa mametraka izy ireo fa raha tsy misy ny fepetra raisin’iny tompon’andrikitra dia hikatona avokoa ireo fivarotana lehibe rehetra manomboka amin’ny tobin-dasantsy izany ka hatramin’ny mpamongady sy ny hafa koa.
Janus/r.s.