Tao anatin’ny tapa-bolana izao, dia voamarika fa mirongatra ny asan-jiolahy any Ambatondrazaka. Manao andiany ireo mpandroba mitondra sabatra sy basim-borona. Fokontany roa no voalaza, fa intelo voatafika, dia ny teny amin’ny “Abattoir” sy teny Tanambao Ambohimamy. Teny amin’iry toerana volaohany, lasan’ireo olon-dratsy ny vola rehetra tao amin’ilay trano. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny isan’izany vola very izany. Teny Tanambao indray, volamena 7 gr sy vola 6 tapitrisa ariary no voaroba. Ny vaovao no nahafantarana, fa vetivety ny fisehoan’ny fanafihana. Raha vao mahazo izay zavatra ilainy ireo jiolahy, dia lasa mandositra avy hatrany. Soa fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin’ireo fanafihana rehetra ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Janus