Taorian’ny fanararaotana ara-nofo nianjady tamin’ilay zazavavy kely vao 12 taona tany Antsahalava Ambatondrazaka sy ny herisetra mianjady amin’ny ankizy izay irahin’ireo ray amandreny sasany mangalatra sy mangataka eny an-tsena ,ny tranom-bahiny mampiditra zaza tsy ampy taona, ny eny amin’ny karaoke zaza tsy ampy taona omena toaka, sy ny maro hafa ,dia handray andraikitra hentitra ny polisim-pirenena tarihan’Atoa Kaomisera Divisionera Ramilison Céléstin fa hisy ny fisavana tampoka ireny toerana ireny. Nentaniny ihany koa ny ray aman-dreny mba samy hanara-maso ny zanany tsy hampiasa azy ireny raha mbola tsy ampy taona izy. Tovolahy vao 15 taona indray mantsy no saron’ny polisy tamin’ny halatra finday sy ny harom-paosy teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo. Finday maromaro no sarona tany amin’ity zazalahy kely ity, izay nambarany fa nangalariny tamin’ny olona avokoa. Betsaka mantsy ireo ankizy mangalatra ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. misy amin’izy ireny ny ray amandreny mihitsy no maniraka azy, vokatry ny tsy fisiana. Misy ihany koa noho ny ditran’ilay zaza mihitsy, eo ihany koa ny fivarotantena. Noho ireo herisetra maro mianjady amin’ireo ankizy aty Ambatondrazaka dia nanao antso ny lehiben’ny polisy mba samy handray andraikitra avokoa ny rehetra ary hampilaza ny mpitandro ny filaminana raha mahatsikaritra zazavavy tsy ampy taona misy mitondra amin’ireny tranom-bahiny ireny. Nentaniny ihany koa ireo tompon’ny tranombahiny ny tsy hampiditra zaza tsy ampy taona fa maha-voasazy.
Janus R