Fiara 7 no nisy nitoraka raha iny hihazo ny tananan’Ambatondrazaka iny izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia fiara takisiborosy mampitohy an’Ambatondrazaka sy Antananarivo, izay hihazo an’Ambatondrazaka, ireto voatoraka ireto raha iny izy hiditra ny tananan’Ambatondrazaka iny. Ny jiro amin’ny tanàna rahateo tsy mandeha ka maizina. Efa matetika no mitranga ny fanendahana entana amin’ny takisiborosy amin’ny lalana RN 44 iny ka maro ireo mitondra faisana noho izany, hany ka tsy mandeha irery intsony ireo fiara fa miaraka maromaro, kanefa izao mbola votoraka izao indray rehefa hiditra ny tanàna. Nanambara ireo mpamily fa tokony hitohy ny fivezivezen’ny miaramila amin’io lalana RN 44 io.
Janus R