- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mitaraina amin’ny tsy fandehanan’ny jiro ny vahoaka, betsaka ireo very asa 

Ambatondrazaka : Mitaraina amin’ny tsy fandehanan’ny jiro ny vahoaka, betsaka ireo very asa 

Efa andro maromaro no  niainan’ny mponina eto Ambatondrazaka ny fahatapahan’ny jiro,  satria zara raha adiny dimy izy no mandeha ny antoandro ary adiny 7 no mandeha ny alina ,io anefa tsy an’ny fokontany rehetra  fa misy  no maharitra vao mandeha izany jiro izany. Betsaka  araka izany ireo mpiasatena sy mampiasa ireny vata fampangatsiahana ireny  no tsy afaka miasa noho ny fahasimban’ireo sakafo tokony hamidiny . Tsy fantatra mazava ihany koa ny tena ora fandehanana sy fijanonan’izany jiro izany,  fa ireo mpanao politika no misalovana amin’izany fa izy efa mandeha na izy efa tapaka  no fantatra ny vahoaka  .Miantso ny fanjakana foibe ny vahoakan’Ambatondrazaka ny hijery haingana izao fahorian’ny vahoaka amin’ny jiro izao, satria tafiditra ao anaty maitso ahitra ny aty Alaotra   ka maro no tsy manana asa intsony vokatry ny herinaratra

 Janus R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici