- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mitohy mijojo ny orana, maro ireo trano no ...

Ambatondrazaka : Mitohy mijojo ny orana, maro ireo trano no dibo-drano

Nirotsaka toa saika isanandro ny orana  taty Ambatondazaka tato ho ato. Saika tsentsina avokoa  anefa  ireo lakandrano   eto amin’ny tampon-tanana noho ny fanarian’ireo mponina fako  amin’ireo lakandrano ireo .  Niakatra araka izany ny rano ka betsaka ireo efa ho any am-balahana ny rano ao an-trano,  potika ny entana, tafiditra any an-trano ny loto sy ny fotaka, indrindra amin’ireo toerana iva toy ny tao amin’ny Abatoara  sy Amparihikely. Nidina ifotony nanadio izany tatatra izany niaraka tamin’ireo fitaovana vaventy nomen’ny BNGRC ny prefekitiora sy ny kaominina ary ireo tsara sitrapo teto amin’ny renivohitry ny faritra, ka nahafaly ireo vahoaka izany. Nanambara ny ben’ny tananan’Ambatondrazaka, Atoa Rafidimanana Felicité, fa tokony tsy hanary fako ao anaty tatatra intsony ny mponina   fa lasa manentsina  ny tatatra izany  ka mahatonga tondradrano eto amin’ny renivohitra.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici