- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpanakan-dalana sy mpamaky trano voasambotra

Ambatondrazaka : Mpanakan-dalana sy mpamaky trano voasambotra

Taorian’ ireo fanafihana misesisesy tao amin ny lalana RN 44 io, dia nandray andraikitra ny teo anivon’ ny zandary ao Vohidiala; izay nanomezan’ny lehibeny ny Kolonely Harilaza baiko  ny zandary ny tsy maintsy ahitana ireo mpanao ratsy. Jiolahy 5 no sarona hatramin izao, noho ny fanarahan-dia sy ny loharanom-baovao azon’ izy ireo.Ireo olona efa voaroba sy voaendaka no nisy nahatadidy ny tarehin’ ireto jiolahy ireto ka dia izao noraisim-potsiny izao. Araka ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana, dia mbola tsy mifarana ny ezaka  fa mbola misy ireo jiolahy  izay karohina ka manao antso amin’ireo tsara sitrapo. Mirongatra izay tsy izy ny tsifandriampahalemana aty Alaotra amin’ izao ka jiolahy 8 avy namaky trano no nifanenjehan’ny polisy ka sarona ny 3 miaraka amin’ ireo entana an-tapitrisany maro avy norobaina ary mbola mitohy ny fikarohana amin’izao fotoana izao. Miantso ny fiaraha-miasa  amin’ny rehetra  ny mpitandro ny filaminana, ny tsy hisalasalana ny hilazana ny vaovao izay fantany.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser