- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpanao takalon’aina 9 tra-tehaky ny zandary

Ambatondrazaka : Mpanao takalon’aina 9 tra-tehaky ny zandary

AMBATONDRAZAKANanjaka tokoa tato ho ato ny resaka fakàna an-keriny olona atao takalon’aina. Noho ny ezaky ny zandary ao Ambatondrazaka sy ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ireo olona tsara sitra-po nanome ny loharanom-baovao dia mpaka takalon’aina miisa 9 no tra-tehak’izy ireo ny alakamisy 30 jona lasa teo. Raha zohina ny zava-nitranga dia voalaza fa nisy andian’olona miisa 7 naka an-keriny vehivavy iray mpandraharaha tao amin’ny fokontany Ambohipeno ao amin’ny kaominina Bejofo, distrikan’Ambatondrazaka, ny harivan’ny alarobia 29 jona lasa teo, tokony tamin’ny 6 ora hariva. Ireo olona ireo dia marihina fa nirongo fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io, basy sy sabatra, nandritra ny fanafihana. Taorian’izay dia nahazo antso ny fianakavian’ilay vehivavy ny tokony hanomezana vola mitentina 20 tapitrisa Ariary ireo naka ny havany mba ho takalon’ny famotsorana azy. Noferan’ireo olon-dratsy ny fianakaviana tsy hampilaza mpitandro filaminana saingy tonga nitady vonjy teny amin’ny tobin’ny zandary tarihin’ny Kapiteny Bruno Ramboasalama ihany izy ireo. Sarotra ny fikarohana saingy noho ny ezaka mendri-piderana nataon’ireo zandary tamin’ny asany dia nisy vokany: ny ampitson’ny andro nakàna an-keriny ilay vehivavy ihany, izany hoe ny 30 jona lasa teo, tokony tamin’ny 4 ora hariva, dia tratran’ny vela-pandrik’ireo zandary ireo mpanao takalon’aina ka dia noraisim-potsiny. 9 izy ireo no nosamborina, miandahy miambavy, ary izy ireo ihany no voalaza fa nanoro ny toerana nanafenan’izy ireo ilay renim-pianakaviana. Efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ity farany. Rehefa natao ny fanadihadiana ireo olon-dratsy dia voalaza fa fialonana noho ny resaka fifaninanana eo amin’ny lafiny fandraharahana no nitarika azy ireo nanao izao asa ratsy izao. Naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo noho izany ny 4 jolay lasa teo. Manoloana izany, ny zandarimariam-pirenena dia mbola manentana ny olom-pirenena amin’ny fifampitokisana mba hiarovana azy ireo sy ny fananany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici