- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpandraharaha iray hita faty tao an-tranony

Ambatondrazaka : Mpandraharaha iray hita faty tao an-tranony

In-droa notafihan’ny olon-dratsy ny tranon’ity olona namoy ny ainy ity

Vehivavy mpandraharaha iray no hita faty nisy namono tao an-tranony ny alatsinainy teo tany Ambatondrazaka. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia nahamarika ny rehetra fa nisy ratra ny vatany ohatra ny notaritiny, nahitana diana fatotra ny vavany sy ny tendany. Nihohoka tamin’ny tany izy. Raha vao hita ilay vehivavy dia niezaka ihany ny havany nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Nilaza anefa ny mpitsabo fa efa tsy nisy aina intsony izy tamin’izay.

Teny Madiotsifafana Ambatondrazaka no niseho ity vono olona ity ny alatsinainy teo. Tsy lavitra loatra ny biraon’ny zandary no misy ny trano fonenan’ilay ramatoa. Tamin’io andro io, teo anelanelan’ny tamin’ny 2 ora sy sasany sy tamin’ny 3 ora, nisy rahavavin’ilay niharam-boina nikasa ny hoany aminy ary niantso tamin’ny finday. Tonga teny an-toerana anefa izy dia nahita ny vavahdy nihidy. Nisokatra avokoa anefa ny varavarana tao amin’ilay trano. Gaga ilay rahavaviny ka niantso ny zaodahiny miasa any amin’ny kaominina. Ity farany no niezaka niantso ny vadiny. Akory ny hatairany fa lehilahy no nandray ny telefôna ary nilaza fa mpiasan’i madama. Avy eo tapaka ny fifandraisana. Nandray andraikitra avy hatrany ny rehetra nihanika ny tamboho. Vao niditra ny trano anefa dia io ilay vehivavy nihohoka tamin’ny tany. Novonjena nentina hopitaly nefa tsy nisy azo natao intsony, hoy ny vaovao voaray. Nikorontana ambany ambony ny entana rehetra tao an-trano, ohatra ny nisy zavatra notadiavin’ilay olona na ireo olona namono ilay ramatoa. Voalaza koa fa tsy nisy zavatra very voamarika aloha hatramin’izao. Marihana fa tamin’ny taona 2012 dia efa nisy nanafika tamin’ny alina ity tokantrano ity. Tamin’izay fotoana izay, naratra mafy vaky loha ny lehilahy tompon-trano ary tsy maintsy notsaboina teny amin’ny hopitaly. Izao niverina izao indray ny fanafihana. Mihorohoro ny mponina eny Madiotsifafana. Mifefy tsara avokoa ny trano eny ary araka ny voalaza dia tsy lavitra ny biraon’ny mpitandro filaminana no misy an’io toerana io. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitaondro filaminana.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser