Nisehoana fanafihana mitam-basy tany amin’ny tanana atao hoe Ambohimanarivo Ambahiboha Morarano Chrome, any Ambatondrazaka, tamin’ny alin’ny alahady faha- septambra tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Vokany, maty voatifitra ilay mpandraharaha vary, 42 taona. Niharan’ny daroka ny vadiny ka voalaza fa maratra mafy. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra izay vola na zavatra lasan’ireo mpangalatra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa niditra na-keriny tao amin’ilay trano ireo jiolahy miisa dimy. Nitondra basy izy ireo. Ankeviny ho namaly azy ilay lehilahy ka dia notifirina avy hatrany. Raha vao nitranga ny loza, nisy ny niantso ny mpitandro filaminana. Efa lasa anefa ireo olon-dratsy tamin’izay. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Janus