- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka: Mpianatra miisa 45 nampijaliana, naratra avy izy ireo

Ambatondrazaka: Mpianatra miisa 45 nampijaliana, naratra avy izy ireo

Tsy nanaiky ny fampijaliana natao tamin’ireto mpianatra tao amin’ny EPP Marianina Ambatondrazaka ny rayamandreny sy ny tompon’andraikitra ka nametraka fitarainana tany amin’ny foiben’ny mponina aty Ambatondrazaka, nampanantsoina ihany koa ny avy tao amin’ny DREN. Mpianatra miisa 45 ireto nampijalian’ny mpampianatra azy ireto , nasaina nadohalika ary novelesina tamin’ny hazo vaventy iray, naratra avokoa ny lohalik’ireto mpianatra, tao ny nandeha ra, tao ny nalemy tsy afa-nandeha, nentin’ireo ray aman-dreny teny amin’ny tobim-pahasalamana izy 45 ireto ka nahazo fitsaboina sy fanafody ara-dalàna. Ny antoandron’ny alakamisy faha 14 novembre 2013 teo no tonga tao amin’ny foiben’ny mponina izy ireo ary olona tsara sitrapo no nampindrana Kibota ( Motoculteur) nitondrana ireto ankizy ireto. Nandray andraikitra avy hatrany ny tao amin’ny DREN Alaotra Mangoro sy ny tao amin’ny foiben’ny mponina aty Ambatondrazaka amin’izao herisetra niniana natao nianjady tamin’ireto mpianatra ireto, mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahafantarana ny tena marina, na vokatry ny tsy fahaizana lesona na tena nampijaliana mihitsy ireo ankizy, anefa na dia izany aza diso  tafahoatra loatra ny nataon’ity mpanabe iray ity,  izay fantatra fa mpampianatra raikitra  fa tsy ireny mbola FRAM ireny.

 

 Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser