- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpianatra sivy nahatrarana rongony, nosamborin’ny zandary

Ambatondrazaka : Mpianatra sivy nahatrarana rongony, nosamborin’ny zandary

Tratra tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Andranokely Ambatondrazaka ireto mpianatra ireto, tovovavy ny roa, ny iray mbola tsy ampy taona ary tovalahy ny fito. Raha ny fanazavàna azo dia nahatrarana rongony tany amin’izy ireo. Izay mihitsy no tena ataon’ireto mpianatra ireto any, mandeha manala azy, mifoka rongony, ary rehefa mamomamo avy eo dia manala akanjo miboridana, mandro sy milomano ary voalaza fa tonga hatrany amin’ny hoe fanodinana horontsary mamoafady mihitsy aza, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana.

Raha ny fanazavàna azo dia niainga tamin’ny fitarainana nataona ray aman-drenin’ny mpianatra iray ny fisamborana azy sivy mianadahy ireto. Nambaran’ny loharanom-baovao azo tany an-toerana mantsy fa tsy hita izay nalehan’ny zanak’izy ireo : ankizivavy kely vao 16 taona monja. Nandeha avy hatrany fikarohana ka hita ihany ity farany, niaraka tamin’ny tovolahy izay mpianatra namany ihany koa. Nahenoana fofon-drongony moa izy ireo ary nentina nohadihadiana avy hatrany. Tamin’izany no nilazan’izy ireo tamin’ireo mpitandrofilaminana fa misy toerana falehan’izy ireo, izay io voalaza etsy ambony io. Marihana fa toerana somary mangingina izy io, misy dobo kely miendrika farihy ary fandehanan’ireo tanora manala azy rehefa alarobia hariva sy alahady hariva. Efa nandre ny lazan’ity toerana ity ihany ireo mpitandro filaminana ka dia nidina avy hatrany tany an-toerana. Indreo eo tokoa fa mbola teo avokoa ireo tanora hafa naman’ireto natao fanadihadiana ireto. Nahitàna kitapo nisy fonosan-javatra tsy lavitra azy ireo ka rehefa nosavaina dia hita fa tena rongony marobe tokoa. Noraofina avy koa moa izy sivy mianadahy ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary mba hatao fanadihadiana. Nilaza moa ireto mpianatra tamin’ny famotorana fa manana mpamatsy rongony izy ireo. Nidinana tany an-toerana avy hatrany izany olona fanetriben’ny firenena izany ary nosamborin’ny zandary. Miisa fito mianaka izy ireo araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici