Jiolahy tsy latsaky ny 10 efa tafiditra tao an-tokatranon’ireto mpivady ireto no nahataitra azy . Avy hatrany dia nosaringotiny tamin’ny volo ilay vehivavy sady norahonany hoe aiza ny vola sy ny volamena, ary narahiny vely famaky. Rehefa tsy nahafa-po azy ireo ny vola azo dia nampifanatrehany ireto mpivady, sady nodarohina sy nanontaniana hoe aiza avokoa ny vola saika hividianana entana rahampitso sy ny tahirim-bolamena aminareo ? Isaky ny manontany ireo jiolahy ka mihanahana ilay ramatoa dia vely famaky amin’ny lohany no mazaho ilay raim-pianakaviana, ary tahaka izany foana isaky ny fanontaniana .Nanao izay danin’ny kibony mihitsy ireto jiolahy ireto ary nosarisarihana tamin’ny volony eran’ny trano ilay renim-pianakaviana raha noheverin’izy ireo rehefa maty ilay rangaha vadiny .Tao ampovoan’ny tanànan’i Mangalahala Ambandrika, ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, no nisehoan’izany ny alin’ny faha 15 aprily 2015 tokony tamin’ny 11 . Araka ny loharanom-baovao dia tifidanitra no nidiran’izy ireo ny tanàna ary dia natahotra tsy nisy nivoaka ny mponina na dia nahare tsara ny tabataba sy ny fanontaniana rehetra tao an-trano aza .Rehefa lasa elaela ireo jiolahy vao sahy nivoaka ny mponina ka nitondra azy mivady ireto tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka .Vaky sy nahitana diana famaky 3 ny lohan’ilay rangahy, tapaka ny tanan’ilay ramatoa, ary mbola feno ratra avokoa ny vatana .Tao saika ahenoana fanafihana mitam-piadiana hatrany ao anatin’ny distrika maro aty Alaotra ka mihorohoro ny mponina. Na dia manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaovana fisafoana amin’ny alina dia vao mainka toa mampirongatra azy izany. Raha ny lalana RN 44 indray dia nandray fepetra manokana mihitsy ny zandary amin’ny hanarahana ireo fiara mandeha amin’ny alina rehefa mitambatra maromaro izy ireo, miainga avy eo Andaingo ka hatraty Vohidiala, izay toerana tena mampatahotra.
Janus R