- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nahitana baomba vita gasy

Ambatondrazaka : Nahitana baomba vita gasy

BOMBAMihorohoro tanteraka ny vahoaka noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana tato ho ato .Bala fotsy maromaro  miaraka amin’ny tavoahangy misy lasantsy miaraka amin’ny fitaovana hafa no nampiarahana tamin’ny baoritra iray ary  nofatorana sy nasiana  lahiny. Napoaka io zavatra io ny alin’ny alahady hifoha  alatsinainy lasa teo ka nihorohoro sy taitra ny manodidina. Na dia tsy mafy aza ny fipoakan’ilay zavatra dia samy naheno izany ireo teo akaikikaiky. Natahotra ny tao amin’ny fokontany Atsimondrova, izay toerana nahitana ity zavatra ity, ka nampandre haingana ny teny anivon’ny polisim-pirenena. Nandray andraikitra avy hatrany itsy farany ka nanao ny fanadihadiana rehetra. Araka ny fanazavana voaray dia tsy baomba tahaka an’ireny fahita any amin’ny renivohitra ireny izy ity, sangy mahery, izay entin’ireo mpangalatra hampitahorana ny sain’ny manodidina ka ahafahan’izy ireo manararaotra amin’ny halatra ataony. Nanambara ny kaomisarian’ny polisy fa handray andraikitra amin’izao fampihorohoroana ataon’ny mpangalatra izao izy ireo,  ka horaisina avokoa  ny fepetra rehetra  hanaraha-maso ny manodidina. Tokony samy ho mailo ny rehetra ka hampandre ny tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana

Janus R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser