Zanaky ny anadahiny izay nalainy avy any Tanambe Alaotra ity nentiny nihazo an’Ambatondrazaka handehaha hamidy .Nihazo avy hatrany ny Station Alaotra ity ramatoa ity ary dia nitady mpividy an’ity zazavavy izay vao 8 taona ity. Nitangoronan’ny olona ilay zaza ; izay azo lazaina ho tsara tarehy. Hitan’ireo miaramila tao amin’ny Station Alaotra ny raharaha ka itsy farany no nandray andraikitra avy hatrany nisambotra ity ramatoa ity ary nitondra azy teny amin’ny biraon’izy ireo hanaovana fanadihadiana . Rehefa nozahana akaiky ity vehivahy ity dia olona efa nahazo zava-pisotro mahamamo, ka nitabataba tsy nahitana ny marina. Nandray andraikitra nitady izay ray aman-dreniny ny miaramila ary dia niantoka ny sakafo rehetra. Mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, satria fantatra fa zaza nalaina ankeriny ihany koa ity zaza ity hoy ny loharanom-baovao. Miteraka resabe aty Alaotra ny fahaverezan-jaza, ka samy mailo sy mitandrina ny azy ny ray aman-dreny. Ny 07 oktobra 2014 teo tokony tamin’ny 2 ora sy sasany no nisahotaka ny tsenan’Ambatondrazaka, fa nisy 4X4 nangala-jaza toa nisy laharana fiara voatonontonona mihitsy aza. Raikitra ny fitadiavan’ny vahoaka marobe, ka hita tao an’ elakelan-trano ilay zaza. Tsaho nisy nanely ilay hoe lasan’ny 4X4, ka lasa nampisahotaka aok’izany ny mponina, mailo sy mitandrina ny rehetra amin’izao fotoana izao amin’ity resaka hala-jaza ity, hany ka mora mandaitra ny tsaho ary mety mahafaty sy manimba zavatra ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Janus R